Nahitsy ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent, ary mbola nanamafy ny efa nambaran’izy ireo tany aloha.
“Samy hotsarain’ny tantara amin’ny asa sy andraikitra noraisiny ary ny fanapahan-keviny ny tsirairay”, hoy izy. Mitombina izany raha miainga amin’izao toe-draharaha izao, araka ny nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny MMM ity. Notsiahiviny fa efa tao anaty fitondrana tokoa ity antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo ity ary niala tao anaty fitondram-panjakana sy lasa mpanohitra. Nambarany fa tsy mifanandrify sy mifanaraka amin’ny fomba fijerin’izy ireo ny fitantanana ny firenena ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Nomena tsodrano izy ireo, araka ny nambarany. “Tsy nanenenanay ary voadinika ny fanapahan-kevitra sy ny fialana an-daharana amin’ny fiarahana amin’izao fitondrana izao noho ny tsy fitsinjovana ny firenena… Porofo ny zava-misy eto amin’ny firenena iainantsika izao”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy mitondra mankany amin’ny tombontsoan’ny vahoaka na koa tsy manara-dalàna ny baiko sy toromarika omen’ny mpitondra ireo mpitantana isan-tokony. Eo koa ny fanerena ny hamerenana ny fomba tsy nety tany aloha nefa tokony hizotra ho any amin’ny fanovana, araka ny nambarany ihany. Midika izao fa manaiky sy tsy sahy mijoro ireo tomponandraikitra sasany. “Antony hitolomanay sy ialana amin’izany fomba izany ny nirosoana ho any amin’ny tena fanovana”, hoy ihany izy.
Synèse R.




