“ASIEF 2025” : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Mahajanga

“Fanatanjahantena ao anatin’ny fitoviana sy ny firaisankina” no lohahevitra ho an’ny fifaninanam-pirenena Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief) taona 2025. Fifaninana­na tontosaina ao Mahajanga, izay nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, ny zoma 1 aogositra lasa teo, teny amin’ny “Village Touristi­que” Mahajanga. Diabe niainga teny amin’ny Barea no nanombohana ny hetsika, izay notarihin’ny minisitra maromaro eo anivon’ny governemanta sy ireo andrimpanjakana hafa ary ny filohan’ny Asief, Andriana­rison Jean Aimé (Jhone Love). Nafonja ny kabarin’ny filohan’
ny Asief nandritra ny lanonam-panokafana sady nanavaony ihany koa ny fangatahana amin’ny hanomezana lanja ny fa­natanjahantena eny anivon’ny minisitera sy andrimpanjakana tsirairay. 90 isan-jaton’ny mpiasam-panjakana ankehitriny no manao fanatanjahantena, mi­dika izany fa zava-dehibe ny fisian’ny Asief izay mikarakara hetsika ara-panatanjahantena toy izao. Nangataka ny filohan’ny Asief mba hanomezana ta­pakandro isan-kerinandro ho an’ny mpiasam-panjakana ha­hafahana manao fanatanjahantena. Efa manomboka ny fifaninanana ary hitohy hatramin’ny 15 aogositra izao.

Mi.Raz

Partager sur: