Azo lazaina fa tsara ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tany Tanzanie, tamin’ity « chan” ity. Nahazo isa iray izy ireo, na dia nilalao folo aza. Ady sahala tsy nisy nitoko ny an’i Mauritanie sy i Madagasikara.
Tsy resy aloha! Nahazo isa iray ny ekipa nasionaly malagasy, tamin’ity andro voalohan’ny vondrona « B », ho an’ity fifanintsanana “Chan 2024”, izay tanterahina any Tanzanie, Kenya, Ouganda, ity. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, tamin’ny ekipan’i Mauritanie, ry zareo, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Benjamin Mkapa Tanzanie. Raha hiverenana ny fifanandrinana tamin’ity lalao voalohany nataon’ny Barea ity, nanindry teo amin’ny fitazomana baolina ny Malagasy, tamin’ ny fizaram-potoana voalohany. Nahita fanafihana tsara ny Malagasy, ny minitra faha-15, saingy tsy matin’i Dahery izany. Teo amin’ny faha-30 min, nahazo penalty ry zareo maoritanianina, saingy nolavin’ny mpitsara teny anivon’ny horonantsary (Var) izany. Folo minitra, taorian’io nihena ho 10 ny isan’ny Malagasy teny ambony kianja, rehefa nahazo karatra mena i Dax, izay nahazo karatra mavo indroa. Ny fidirana faharoa, nanova paikady ny mpanazatra Barea, Rakotondrabe Romuald Felix, na Coach Rôrô. Nampidiriny ry Onja, Gregass, Felly, ary nasorony i Feno, Dahery ary i Toky. Somary sahirana tamin’ny fitazomana baolina ny Barea, noho ny tsy fahampiana teny ambony kianja. Tsy nahita mason’arato mihitsy moa ny ekipa roa nifanandrina, na dia samy nampiseho ezaka aza. Niafara, 0 no ho 0, ny fihaonan’ny roa tonta. Mbola mitarika vonjy maika amin’ny vondrona « B », araka izany, i Tanzanie, tompon-tanana, raha toa ka laharana fahatelo i Madagasikara. Ny ekipam-pirenen’i Burkina Faso, izay resin’i Tanzanie, 2 no ho 0, hifandona amin’i Madagasikara indray ny sabotsy ho avy izao.
Fitia Randria




