Natao tany Addis-Abeba ny fihaonana an-tampon’ny Firenena mikambana mahakasika ny rafitra ara-tsakafo. Vonona hanohana an’i Madagasikara ny vondron’ireo mpiara-miombon’antoka.
Nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ity fivoriambe UNFSS +4 ity ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Nikarakara azy ny firenena italiana sy etiopiana, natrehin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena rehetra, toy ny FAO, ny Ifad, ny Pnud, OMS, sns. Fotoana nandrefesana ny zava-bita tao anatin’ny 4 taona, nanomboka ny taona 2021 hatramin’izao.
Notaterin’ny Sesa Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny ezaka nataon’i Madagasikara, toy ny fampitomboana ny vokatra, indrindra ny vary, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tao anatin’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny masomboly sy ny vokatra, ampiasana fitaovana manara-penitra.
Natao vovonana hikaonandoha, handraisana andraikitra, entina hanovana ny rafitra ara- tsakafo ihany koa ity fivoriambe UNFSS+4 ity. Ahafahana mampifanatona bebe kokoa ireo mpisehatra sy mpiray ombon’antoka isan-tsokajiny amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny fomba maharitra. Satria tanjona iraisana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny rehetra.
Fihaonana maro
Naneho ny fahavononany hanohana hatrany an’i Madagasikara ny rafitry ny ONU, nandritra ny fihaonan’ny Sesa Razanamahefa Tahian’Ny Avo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toy ny sekretera jeneraly lefitry ny ONU, Amina J. Mohammed, ny tale jeneralin’ny FAO, Qu Dongyu, ny tale mpanatanteraka ny Pam, Cindy Mc Cain, ny filohan’ny Fida, Alvaro Lario, sns.
Ankoatra ireo, nisy koa ny fihaonan’ny sekteram-panjakana Sesa tamin’ny talem-paritry ny Pnud any Afrika Atsimo, Ahunna Eziakonwa. Nodinihinina ny paikady hiaraha-miasa mahakasika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Nihaona manokana tamin’ny praiminisitra etiopiana, ny Dr. Abjy Ahmed Ali, ihany koa ny tenany, nijerena ny fiaraha-miasa mba tena hiantraika amin’ny vahoaka malagasy.
Njaka Andriantefiarinesy




