Maromaro ireo mitaky fanadihadiana parlemantera momba ireo “Boeing 777”, miisa 5 any Iran. Anisan’izany ny depiote “Del kely”. Nambarany fa tokony hirosoana izany ary hamoahana didy
tsy fahazoana mivoaka eto ny ministry ny Fitaterana. Tahaka izany koa ny antoko Leader Fanilo.
“Tokony hiditra an-tsehatra ny Bianco sy ny Pac”, hoy izy ireo.
Anisan’ny nanatanteraka fanadiovana faobe amin’izao fiaraha-mientana ho fandraisana ny fivorian’ny Sadc izao ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ireo rantsamangaikany, ny herinandro teo. Nanadio sy nandoko ny sisin-dalana Henri Fraise Ankorondrano, Antanimena ary ny lalana mandeha Behoririka izy ireo.
Nanamarika ny fanombohan’ny volana aogositra eo amin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana ny fanatanterahana ny tohin’ny fanadiovana faobe. Natao ny alakamisy teo izany asa fanadiovana
izany ka niainga avy teny amin’ny Kianjan’ny Makis ary tonga hatrany amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka.




