Lalaon’ny CJSOI: Nahazo medaly 15 sahady i Madagasikara

Nirarakompana ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ny andro fahatelon’ny « CJSOI », tanterahina atsy Seychelles. Nisongadina ny Mala­gasy atleta mpimbata fonjamby. Nahazo vokatra tsara ihany koa ny Barea sy ny Ankoay.

Telo andro izay no vita, nandrombaka medaly 15 sahady, volamena 9 sy volafotsy 6, i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina, « CJSOI », ity. Lalao izay tontosaina any amin’ny Nosy rahavavy Sey­chelles, ny 1-10 aogositra izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, ny taranja fibatana fonjamby no nahazoan’ny Malagasy io medaly maro io.
Raha ho an’ny sokajy lehilahy, nandrombaka medaly 9 i Madagasikara, volamena 6 ary telo volafotsy. Ny teo amin’ny sokajy 55 kilao (Kg), norombahin’i Onjatiana Herman, ny me­daly volamena rehetra, rehefa nahainga ny vy milanja 75 kg, tamin’ny “arraché”, ary 100 kg kosa ny “epaulé et jeté”, izay nahitany fitambaran’isa, 176 kg. Volafo­tsy telo kosa ny an-dRalijaona, nahazo fitambaran’isa 166 kg, rehefa nanao “arraché” 74 kg sy “epaulé et jeté” 90 kg. Ny teo amin’ny 61 kg indray, nahazo ny laharana voalohany i Faliniaina Tsiky Fanojo Najaina, izay nahalanja ny vy 62 kg tamin’ny “arraché” sy 79 kg, teo amin’ny “epaulé et jeté”, nahazo isa 131 kg.

Medaly enina ny an’ny vehivavy

Medaly volamena telo sy volafotsy telo kosa no azon’ireo vehivavy malagasy. Nandri­paka ny medaly volamena telo ho an’i Madagasi­kara Randriamparany Chaina, izay mifanintsana amin’ny so­kajy 64 kg. Nahazoan’io vokatra tsara io nahafahany nibata ny vy milanja 70 kg, teo amin’ ny “arraché”, ary 90 kg ny “epaulé et jeté”, izay mitotaly 160 kg.
Laharana faharoa tamin’ny sokajy 71 kg kosa Randriamili­manana Nantenaina, taorian’ny ezaka nataony izay nahalanja ny vy 58 kg tamin’ny “arraché” ary “68 kg” ny “épaulé et “jeté”, izay nahazoana isa 126 kg.
Taorian’io, mitarika eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika, eo amin’ny filaharan’ny medaly ny Malagasy, amin’ity fifaninanana ity. Na­natrika ny fanomezana medaly azy ireo moa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson.
Etsy ankilany, nampanantena hanome “prime” mitentina 50 euros ho an’ireo atleta malagasy izay mandrombaka ny medaly volamena ity minisitra ity.

Namiratra ny Barea sy ny Ankoay zandriny

Samy tsy mbola nahitana faharesena mihitsy aloha ha­treto ny Malagasy, nandritra ny lalao iraisana izay natao tamin’ity fifaninanana tanora aty amin’ny ranomasimbe In­dianina ity. Fahombiazana roa no azon’ny Barea de Mada­gasikara, sokajy zandriny U18, hatramin’ny omaly. Resin’ izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny ekipa nasionalin’i Mayotte, omaly, ary lavon’ny Malagasy, 2 no ho 1, i Seychelles, mpam­piantrano.
Nahita fandresena roa ta­haka izay ihany koa ny Ankoay zandriny, izay nandavo ny kaomorianina, tamin’ny isa, 75 no ho 63, tamin’ny andro voalohany ary nanamontsana
an’i Mayottes, 95 no ho 53, omaly.
Tsara ny mampahatsiahy fa taranja maro no hifanintsanan’ny Malagasy amin’ity lalaon’ny CJSOI ity, anisan’izany ny atletisma, ny Badmin­ton, ny basikety 5*5, ny baolina kitra, ny Judo, ny fibatana fonjamby, ny lomano, ny volley, ary ny resaka ho an’ny tanora na ny “volet jeunesse”. Ankoatra an’i Madagasikara sy Seychelles mifanintsana amin’ity CJSOI, andiany faha-13 ity, i Djibouti, Comores, Maurice, Mayotte, La Reu­nion.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: