Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly.
Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny Lalaon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Nahazo medaly 12 vaovao indray i Madagasikara, ka volamena 2, volafotsy 4, ary 6 alimo. Nandrombaka ny medaly dimy tamin’ireo ny mpilomano. Tamin’ny sokajy lehilahy, nahazo medaly volafotsy tamin’ny 100 metatra « brasse » Rabarison Tanteliniaina. Rakotobe Tendry Toavina kosa no nitondra avo ny sainam-pirenena niaraka tamin’ny medaly volamena, tamin’ny 50 m papillon, sy medaly volafotsy indroa: tamin’ny 200 m “nage libre” sy “100 m dos”.
Teo amin’ny sokajy vehivavy, i Marie-Ange Andrianaho, nahazo medaly alimo, tamin’ny 800 m “nage libre”. Tao anatin’ny fibatana fonjamby indray, nanampy isa ny medaly i Kemba Nomeny Finaritra Rakotondravony, izay atleta farany nandray anjara tamin’ity taranja ity. Nahazo medaly alimo 3 izy: rehefa nahavita, 56 kg, tamin’ny “arraché”, 62 kg tamin’ny “épaulé-jeté”, ary nahita totalin’ny lanja 118 kg.
Medaly efatra ho an’ny Judoka
Medaly efatra kosa no azon’ireo Malagasy judokas. Niravaka ny medaly volamena ho an’ny lehilahy, Rakotomalala Sandaniaina, sokajy
-66 kg. Andriamandanonarivo Tsiaro nahazo volafotsy tamin’ny -60 kg. Ny vehivavy indray, nanampy ny isan’ny medaly alimo ho an’i Madagasikara i Malalasoa Rakotondrainibe (-57 kg) sy Elerson Fanomezantsoa.
Ankoatra izay, tafita amin’ny manasa-dalan’ny basikety ny Ankoay zandriny. Nanamontsana an’i Maorisy, tamin’ny isa 107 no ho 32, izy ireo, omaly.
Ratsy ny vokatra azo tamin’ny taranja badminton. Resin’ny ekipa avy any Seychelles i Madagasikara tamin’ny lalao iraisana, ka voatery hifantoka amin’ny fifaninanana manokana amin’ny fihaonan’ny tsirairay.
Fitia Randria
Vokatry ny andro fahefatra
Nahatratra 12 ny medaly azon’ny Malagasy omaly, 2 volamena, 4 volafotsy, 6 alimo. Araka izany, miakatra ho 27 izany ny isan’ny medaly azon’ny Malagasy hatramin’izao: 11 volamena, 10 volafotsy, ary 6 alimo. Mbola mitana ny laharana voalohany i Madagasikara amin’ny filaharan’ny Lalaon’ny CJSOI 2025.




