Praiminisitra Ntsay Christian: “Melohiko ny famafazana lainga momba ny zanaky ny filoha”

Mbola nitondra fanazavana ny “Raharaha Boeing 777” ny Praiministra Ntsay Christian. Anisan’ny noresahiny ny momba ny zanaky ny filohan’ny Repoblika.

“Melohiko tanteraka koa ny famafazana lainga mahakasika ny zanaky ny filohan’ny Repo­blika”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Anosy, omaly, nanontanian’ny mpanao gazety ny “Raharaha Boeing 777” mitondra laha­rana malagasy hita tany Iran. Kilalao maloto no misy ataon’ ny sasany eto amin’ny fire­nena: famafazana lainga sy tsaho. Ny hevitra no ampia­diana, fa tsy ny Malagasy. Ny antony: inona moa no tombontsoa azo amin’ny famafazana lainga toy ireny? Tsy maintsy ho vita ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no filohan’ny Sadc amin’izao. Reharehan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy izany. 45 taona no nijoroan’ny Sadc. Vao izao isika Malagasy no mitondra an’izany vondrona izany, rehareha tsy tokony hampidirana politika.

Efa eto ny FBI

“Isika no nangataka ny fahatongavan’ny FBI eto Mada­gasikara”, hoy izy momba ny fanadihadiana ny “Raharaha Boeing 777”. Matoa tonga ny FBI mba hanao fanadiha­diana, tsotra ny antony: voa­lohany, misampana amin’ny zavatra maro tsy hita maso iny raha­raha iny. Misy olona, ohatra, miditra amin’io raharaha fiaramanidina io, misy mpandraharaha izany mankany Jakarta na Cambodge. Tsy fantatra izany. Iza izay mpandraha­raha izay? Faharoa, iadiana izay Malagasy tsy madio amin’ ny ataony momba an’i Mada­gasikara. Mba tsy hiverimberenan’ny toy ireny intsony. Ny fanadihadiana hatao no hahafantarana ireo rantsaman­gaika rehetra voasaringotra amin’iny raharaha iny. “Ny tiako hapetraka amin’ny va­hoaka malagasy: tsy maintsy mangarahara isika amin’ny fandraharahana”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: