Hotanterahina anio, ao Palvas-les-Flots France, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Malagasy. Hiova kely indray amin’ity ny firafitry ny ekipam-pirenena. Hijoro voalohany i Tianakely sy i Yves ary i Zigle. Nasain’ny mpanazatra maka aina indray izany i Balôty, taorian’ny tsy niatrehan’i Zigle ny dingana fahatelo.
Hanova paikady, araka izany, ny mpanazatra satria efa nojeren’ireo mpifanandrina ny fomba filalaon’ny Malagasy. Efa miverina amin’ny tanjany rahateo i Zigle izay nisy tsy fetezana kely nandritra ny dingana faharoa.
Tsiahivina fa mitarika vonjimaika ny Malagasy, taorian’ireo dingana telo efa tontosa amin’ity fihaonana goavana any France ity. Norombahin’ny Malagasy ny roa. Ny voalohany, tao ST Gilles-Croix-de-Vie sy ny fahatelo tao Cluses. Manana isa 20 ny Malagasy, hatreto. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa hiverina hanatevina ny ekipan’i Italie ihany koa i Diego Rizzi, rehefa tsy niatrika ny dingana fahatelo. Italie izay any amin’ny laharana fahenina, tsy manana afa-tsy isa 9. Mitovy amin’izy ireo ihany koa ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher.
Tompondaka




