« ASIEF 2025 » : Milamina tsara ny fandraisan’i Mahajanga ny fifaninanana

Miditra amin’ny famaranana ny fifanintsanana avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo taranja hifaninanana amin’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), tanterahina ao Mahajanga. Nam­baran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Tia Solofomanga Heriniaina, fa milamina tsara hatreto ny fandraisana ity lalao nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana ity. Ampy tsara, hoy izy, ny fotodrafitrasa sy ny toerana nandraisana ny vahiny izay nezahina ho madio sy manara-penitra. Nanentana ny mpandray anjara amin’ity «Asief 2025» ity ny ben’ny Tanàna mba hanaja ny fahadiovana. Eo koa ny fikojakojana ny fotodrafitrasa izay mamaimpoana avokoa ny fampiasana azy ireny. Nisy
ny fangatahana nataony ny mbola hanatanterahana ny lalao Asief any an-toerana, amin’ny taona hoavy. Nan­droso soso-kevitra amin’ny fampitomboana ny fahamatorana bebekokoa amin’ny fikarakarana ny hetsika koa izy ary niarahaba sy nirary soa ny delegasionina tonga mifaninana ao Mahajanga. Tetsy ankilany, nanamafy ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jhone Love, fa “miezaka hatrany izy ireo mitady vahaolana hahafahana manatanteraka araka ny tokony ho izy ny fifaninanana rehetra”.

Mi.Raz

Partager sur: