CJSOI-Seychelles : Mitotaly 37 ny medaly azon’i Madagasikara

Mitobaka toy ny rano ny isan’ny medaly azon’i Madagasikara, atsy Seychelles, amin’ity Lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI) ity. Taorian’ny andro fahadimy, izay natao omaly, efa mahatratra 37 medaly, volamena 12, volafotsy 14, alimo 11 ny azon’ ny Malagasy atleta. Raha hiverenana kely ny andro omaly, nandrombaka medaly 10 vaovao ny delegasionina malagasy, ka ny 1 volamena, ny 4 volafotsy ary ny 5 alimo. Nahazo medaly 5 tamin’izany ny Malagasy mpilomano, volamena 1, alimo 4. Nahazoana medaly volafotsy telo indray ny taranja Judo. Tamin’ny taranja vaovao e-sport, nisongadina ihany koa i Madagasikara. Nahazo volafotsy Radomalala Achille. Medaly alimo kosa no azon-dRanaivomanana Nhouriah Ny Aina, teo amin’ny sokajy vehivavy. Fiandohana izao fandraisana anjara izao, mampanana fanantenana ho an’i Madagasikara amin’ity taranja ity. Tamin’ny hazakazaka 100 m, Angelin Vonjiniaina no nibata ny medaly alimo rehefa nahavita ho fahatelo tamin’ity hazakazaka ity. Na mafy aza ny fifaninanana, mijanona ho mpifanandrina matanjaka i Madagasikara amin’ny isa ankapobeny. Hanana anjara lehibe ny andro sisa amin’ny hazakazaka ho amin’ny fandresena hatramin’ny 9 aogositra.

Fitia Randria

Partager sur: