Fifanintsanana U17- Cosafa : Tafalatsaka anaty vondrona maozatra ny Barea zandriny

Tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina ny Barea sokajy zandriny. Ny volana septambra ho avy izao, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can U17, anatin’ny fifanintsanana “Cosafa” ny Barea.

Hotontosaina any Ha­rare Zimbabwe, ny 11 hatramin’ny 20 septambra ho avy izao, ny “Co­safa U-17 Youth Cham­pionship”. Ani­san’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka ny an­tsapaka izay natao omaly, tao Afrika Atsimo, ao amin’ny vondrona B no misy ny Barea, hiady izay ho lohany ao amin’ity sokajy ity, amin’i Zambie, Afrika Atsimo ary i Malawi.
Tafalatsaka anatin’ireo mpifanandrina efa maozatra, “groupe de la mort” ny ekipa nasionaly malagasy. Satria, ny mpilalao zambianina no tompondaka farany tamin’ity fifanintsanana ity. Tsy maintsy hiezaka ny hitazona izany izy ireo. Ry zareo Afrika Atsimo, Bafana Bafana, kosa efa manana traikefa ambony sy zatra mandray anjara amin’ny lalao tahaka itony, indimy nandray anjara tamin’ny «Can U-17» ry zareo.
Raha ny fanazavana voaray, izay voalohany isaky ny vondrona sy ny firenena faharoa tsara indrindra no miatrika ny manasa-dalana. Zava-dehibe ho an’ny Malagasy sy ireo firenena afrikanina hafa ny fandraisana anjara amin’ity fifanintsanana ity. Satria, izay telo voalohany amin’izany no hiatrika ny “Can U17”, amin’io taona ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Ireo folo mendrika indrindra mandritra izany kosa no hanao ny “Mondial U17”.
Fifantenana mpilalao
Fotoana iray hahafahana manome sehatra ho an’ireo manan-talenta eto Madagas­ikara ny hetsika tahaka izao. Antenaina fa hanam-pahendrena sy ho ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fifantenana ny mpilalao izay hiatrika ity fifaninanana Cosafa ity. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny fiomanan’ireo Barea zandriny, sy ny mpanazatra, izay hitondra azy ireo any Zimbabwe.

Fitia Randria

Partager sur: