Hifarana rahampitso alakamisy ny fisoratana anarana ho an’ny “Rallye vacances”. Dingana fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny familiana fiarakodia. Fifaninanana hatao any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao. Mikarakara izany ny klioba Gojang.
Tsy tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana Basikety, amin’ny CJSOI, ny nosy rahavavy Comores, noho ny resaka hala-taona ka voatery i Mayotte no miatrika izany. Tsiahivina fa i Mayotte sy i La Réunion no nanao ny fitarainana mahakasika ny taonan’izy ireo, tamin’ity fifanintsanana ity. Hifanandrina amin’i Mayotte eo amin’ny manasa-dalana moa i La Réunion.
Mitohy hatrany ny fanazarantena ho an’ny Barea izay miatrika ny “Chan”, any Tanzanie. Mety hisy ny fiovana amin’ireo mpilalao 11 ijoro voalohany, araka ny loharanom-baovao iray any an-toerana. Tsiahivina fa manana isa iray izao ny Malagasy, ary ny ekipan’i Burkina Faso, hifandona amin’izy ireo, ny sabotsy ho avy izao. Tsy afaka miatrika ity lalao ity moa i Dax, kapitenin’ny Barea A’, noho ny karatra mena azony teo amin’ny andro voalohany.




