« CJSOI » – Seychelles : Nahazo medaly 39 i Madagasikara

Afaka roa andro sisa, hifarana tanteraka ny lalaon’ny CJSOI atsy Seychelles. Manana medaly 39 i Madagasikara hatramin’ny omaly. Hifandona amin’i La Réunion, mandritra ny famaranana, ny Ankoay zandriny.

Mitombo ihany! Omaly, nahazo medaly 39 i Madagasikara, taorian’ ny andro fahadimin’ny lalaon’ ny CJSOI, hetsika izay tanterahina atsy Seychelles. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana, manana volamena 13, vo­lafotsy 16 ary alimo 10 i Mada­gasikara.
Ankoatra izay, tafita hia­trika ny famaranana amin’ny taranja basikety ny Ankoay zandriny, izay nanintsana ny ekipa nasionalin’i Seychelles, tamin’ny isa 75 no ho 45, omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’i Victoria Gym. Hifandona amin’ izy ireo farany ny ekipan’i La Réunion, ny zoma ho avy izao.
Tsy izany ihany fa samy hiatrika ny manasa-dalana avy, anio, ny Barea zandriny U17, sy ny vehivavy malagasy mpilalao volley. Raha ny eo amin’ny baolina kitra, ry zareo Maorisianina no hifandona amin’ny Barea, anio. Ny ekipa mpapiantrano, Seychelles, kosa, hifandona amin’ireo Malagasy mpilalao volley.
Tsy mbola misy laharana ofisialy nivoaka, saingy raha ny vokatry ny fikarohana natao, mitana ny laharana faharoa i Madagasikara, ary efa mita­rika lavitra dia lavitra amin’ny resaka medaly. I La Réunion no voalohany amin’ity CJSOI ity.
Horaisin’i Madagasikara ny fivoriamben’ny CJSOI

Nigadona omaly, tetsy Ivato, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Nambarany, tamin’io fotoana io, fa horaisin’i Madagasikara ny fivoriamben’ny minisitera izay mandrafitra ny CJSOI, ny volana novambra ho avy izao. Hodinihina amin’io fivoriana io ny fampivoarana ny tanora amin’ity hetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity.

Fitia Randria

Partager sur: