Fandaharan’ny TVM: Hisy vaovaon’ny Sadc isan’andro

Mba tsy ho tompon-trano mihono. Efa ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy amin’ireo hetsika tafiditra ao anatin’izany no efa mandeha. Eo koa anefa ireo mbola ho avy ato anatin’ny andro vitsy. Araka izany, hisy hatrany ny fandaharana izay harahin’ny mpijery sy ny mpihaino isan’andro amin’ny 07 ora sy 25 minitra, isaky ny hariva ao amin’ny fahitalavi-panjakana, TVM.
Nambaran’ny tompon’andraikitra fa mba hahafantaran’ny vahoaka malagasy ny vaovao rehetra manodidina izany sy ireo tsara ho fantatra ary ny fandaharam-potoana ny anton’izany fandaharana, manokana isan’andro izany.

Synèse R.

 

Partager sur: