Fiaraha-miasa ara-toekarena: Hanohana ny fambolena sy ny fizahantany ny firenena maorisianina

Nanolotra ny taratasy manendry azy honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, omaly, teny Iavo­loha, ny masoivoho vaovaon’ny Nosy Maorisy, Bruno Cun­niah. Voatsiahy tamin’ny fihaonana fa efa an-taonany maro ny fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy maorisianina amin’ny maha nosy mpirahavavy azy aty anivon’ny ranomasimbe India­ni­na. Eo koa ny maha samy mpikambana eo anivon’ny COI ny andaniny sy ny ankilany. Noresahina mandritra izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fizahantany.
Nialoha izany, efa noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafarava­vita­fika tetsy amin’ny birao fiasany Anosy, ity ambasadaoro vao­vao ity, afakomaly. Nivoi­tra teo amin’ny diniky ny roa tonta ny fifamatorana ara-tantara naharitra eo amin-dry zareo Maorisianina sy ny Ma­lagasy. Eo koa anefa ny fifandraisana eo amin’ny lafiny toekarena sy ny ara-kolontsaina koa.
Tsiahivina fa anisan’ireo firenena 16 mivondrona eo anivon’ny Sadc koa ry zareo Maorisianina, ankoatra ny maha mpikambana azy rahateo ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI).

Synèse R.

Partager sur: