Fibatana fonjamby : Hampiofana ny Malagasy i Salama Maged

Na eo aza ny fahaiza-manaon’ny mpibata fonjamby izay voaporofo hatrany amin’ ny vokatra tsara azon’izy ireo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehany, mikaroka hatrany izay hampivoarana ny taranja sy hampiakarana ny lentan’ny atleta ny FMHMC (Federation malgache d’haltérophilie, de musculation et de culturisme). Hisy, araka izany, ny fampiofanana omen’ilay teknisianina manam-pahai­zana egyptiana, i Salama Maged, ny Malagasy. Tsy anavahana fa hahazo izany fampiofanana izany avokoa na
ny atleta, na ny mpanazatra, hatramin’ny mpitantana ny ligim-paritra sy ireo teknisiana malagasy. Nambaran’ny filohan’ny federasionina, Ran­dria­manarivo Harinelina Jean Alex, fa maro ny tombontsoa azon’ny Malagasy tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo teknisianina sy manam-pahaizana vahiny teo aloha, ka nahazoana ireny vokatra maneran-tany ireny. Izany indrindra no mbola antony hangatahana fiaraha-miasa amin’ny manampahaizana toy izao. Raha ny fandaharam-potoana, haharitra ha­tramin’ny 13 aogositra ny fijanonan’i Salama Maged eto Madagasikara izay hizarany ny traikefany. Marihina fa efa nitarika ny ekipam-pirenena Libye ity manam-pahaizana ity ary niakatra be ny vokatra azon’izy ireto tamin’izany. Fi­renena maro ihany koa no efa niara-niasa taminy, nahazoana fahombiazana. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny federasionina, Randriamanarivo Harinelina, fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny atleta, ray aman-dreny sy ny mpitantana ary ny mpitsabo ara-panatanjahantena no nahazoana ireny vokatra tany amin’ny CJSOI ireny.

Mi.Raz

Partager sur: