Fitantanana eo anivon’ny Sadc: Filohan’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana Ratsimbazafy Eric

Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny fitarihana ny kaomity maharitr’ireo mpiasam-panjakana ambony eo ani­von’ny Sadc. Mitarika izany, manomboka izao, i Madagasikara.

Nandray izany fitantanana izany, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric. Lasa filoha mitarika ny kaomity maharitr’ireo mpiasam-panjakana am­bony eo anivon’ny Sadc. Nambarany fa nahavita be tamin’ny alalan’ny vina nentiny ny mpitantana teo aloha. “Anisan’izany ny nametrahana ny drafitra stratejika ho amin’ny fampandrosoana ny Sadc amin’ny alalan’ny tondro RSDP, taona 2020-2030”, hoy izy, raha nandray fitenenana. Nohamafisiny fa drafitra mafy orina ahafahana mandroso eo anivon’ity vondrom-paritra ity izany. Nisaorany sy nankasitrahiny ny ambasadaoro, Albert Ranganai Chimbindi, sekretera maharitra eo ani­von’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena any Zimbaboe, nisahana izany andraikitra izany teo aloha. Mariky ny fandraisana andraikitra sy fitantanana eo amin’ny firenena roa tonta izao, indrindra koa fa tafiditra amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, andiany faha-45.

Andraikitra lehibe raisin’i Madagasikara

Haharitra herintaona ny fe-potoam-piasana amin’ny fitantanana izany. Mbola hotanterahina mialoha ny famaranana ity fivoriana iraisam-pirenena ity koa ny famindram-pitantanana eo amin’ny filoha mitarika ny Sadc ka handraisan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fitantanana izany, manomboka izao raha ny filohan’i Zimbaboe no mitarika izany amin’izao fotoana izao. “Midika izany fa andraikitra lehibe izao noraisin’i Madagasikara izao ho amin’ny fampiroboroboana ity vondrom-paritra ara-toekarena ity anaty firaisankina sy ny fampandrosoana miaraka ary koa ny tombontsoan’ireo vahoaka eo anivon’ny Sadc”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavita­fika, niatrika izao famindram-pitantanana izao, tetsy Anosy, omaly.

Synèse R.

Partager sur: