Kianja Barea : Efa miroso ny fanamboarana ny bozaka

Taorian’izay fotoana lava izay, tazana tetsy Mahamasina, nanomboka ny herinandro teo, ny fandrosoana amin’ny fanamboarana ny bozaka ao amin’ny Kianja Barea.

Mbola nanamafy izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, Moustapha Abdulah Marson, omaly, tetsy Ivato, fa efa mikarakara izany ny eny an-toerana ary mety hisy ny fidinanana ifotony hataon’ity minisitra ity.

Araka ny hita eny an-kianja, omaly, saroman’izy ireo ny bozaka, ary efa hita miasa avy hatrany ilay fitaovana mikira­kira bozaka. Vinavinaina ho vita amin’ny volana septambra ho avy izao moa ny kianja, araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray. Tsara ny mampahatsiahy fa io resaka bozaka io ihany no indrokely tsy nahafahan’ny Malagasy nampiantrano ireo lalao iraisam-pirenena farany teo. Raha toa ka efa nahazo ny fankatoavana avokoa ireo teboka valo amin’ ny sivy, notakian’ny kaonfederasionina Afrikanina (Caf).

Mety hahazo fankatoavana?

Ny volana septambra ho avy izao, handray ny lalao roa amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, “Mondial 2026”, i Madagasi­kara. Antenaina ve fa afaka hampiantrano izany indray ny kianja Barea etsy Mahama­sina? Andrasana indray, araka izany, ny mety ho fanapahan-kevitry ny Caf, rehefa vita sy hatsaraina indray io kianja io.

Fitia Randria

Partager sur: