Mbola niampy indray ny medaly azon’ny Malagasy, amin’izao iray andro tsy hifaranan’ny fifanintsanana izao. Nandrombaka medaly dimy, volamena 1, sy alimo 3 indray ny Malagasy mpilomano, omaly, tatsy Seychelles.
Niampy indray ! Nahazo medaly volamena iray sy alimo telo, ny Malagasy mpilomano, omaly, nandritra ity fifanintsanana CJSOI, izay tontosaina any Seychelles ity. Mbola nisongadina indray Rakotobe Tendry Tiavina, atleta malagasy, izay nahazo ny medaly volamena tamin’izany. Niravaka ireo alimo telo ambiny kosa, Rambinintsoa Stefy Neyah, sy i Rabarison Tantelinaina, ary nameno izany alimo izany, ny lalao isan-tarika sokajy zazalahy “400m nage libre”. Marihina fa nifarana omaly, ny fifaninana ho an’ny taranja lomano.
Mitotaly 45 izany ny medaly azon’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao, tsiahivina fa taranja vitsy no nandraisan’ny Malagasy anjara.
Famaranana lalao hiombonana
Ankoatra izay, mbola manohy ny diany amin’ny fifaninanana CJSOI 2025, i Madagasikara, eo amin’ny taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, lavon’ny Malagasy, tamin’ny fandakana « tir au but », 5 no ho 4, ny maorisianina, rehefa nisaraka ady sahala 0 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalana. Ny ekipan’i La Reunion, araka izany, no hifandona amin’ny Malagasy, mandritra ity famaranana ity. Hatreto aloha, tsy mbola nahita faharesena tamin’ity fifanintsanana ity ny Barea zandriny. Tanjon’izy ireo ny hitondra ny medaly volamena mody any an-tanindrazana.
Ampahafantarina ihany fa ny renioney, nandresy ny maorey, tamin’ny isa 3 no ho 1, nandritra ny manasa-dalana. Miatrika ny famaranana amin’ny lalao hiombonana ihany koa ny vehivavy malagasy mpilalao volley. Lavon’ izy ireo tamin’ny seta, 3 no ho 0, (28, 26/25,12/25,17). Taranja telo izany no hanaovan’ny Malagasy famaranana, ny baolina kitra, ny basikety, ary ny volley sokajy vehivavy.
Fitia Randria




