Ho fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45, noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Lapam-panjakana Iavolohany sekretera mpanatanteraky ny Sadc, omaly.
Nandray ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny vondrona Sadc, i Elias Magosi, teny amin’ny Lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Niompana indrindra amin’ ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny faha-45 hataon’ ireo filoham-panjakana sy mpitondra fanjakana amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc ny fihaonan’ny roa tonta, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nankasitrahan’ ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc manokana tamin’izany ireo ezaka ataon’ny firenena malagasy ho fampahombiazan’izao fihaonana lehibe eo anivon’ny Sadc izao. Azo lazaina fa efa hita taratra izay fahombiazan’ny fihaonana an-tampony izay amin’ireo fivoriana samihafa efa nanomboka ny 4 aogositra lasa teo, araka ny nambarany. Na eo amin’ny fandraisana izany, na eo amin’ny lafiny tekinika, na eo amin’ny arofenitra sy ny filaminana.
Tsiahivina fa hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao ny fihaonana an-tampony. Amin’ izany no handraisan’ny filoha malagasy, Rajoelina Andry, ny fitantana ny Sadc mandritra ny fe-potoam-piasana 2025-2026. Fantatra fa hanan-danja sy hamaritra ireo fanapahan-kevitra stratejika ho an’ny hoavin’i Afrika atsimo atsinanana ny fihaonana an-tampony. Lohahevitra nosafidin’i Madagasikara amin’ny fihaonana rahateo ny fampiboroboroana ny indostria sy ny fanovana amin’ny fambolena ary firosoana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ho an’ ny Sadc misandratra.
R. Nd.




