Kolontsaina: Tsy mijery na mihaino ny teo aloha ny Malagasy

Na ny mamaritra ankapobeny ny atao hoe «Ma­lagasy» aza efa zary manahirana. Ny milaza mazava hoe «kolontsaina malagasy», efa miteraka fisalasalana. Nanampy trotraka ireo ny fanariana ny an’ny tena ka nanaovana an-dohaloha ny an’ny hafa. Ny kely fantatra, mbola hihadiana hevitra hatrany… Satria, very fangitra sy fitaratra ny Malagasy.

Rehefa mety ho kolon­tsaina, zara raha fantatry ny Malagasy ny momba azy. Na, hay ihany fa manjavozavo sy mifangaroharo amin-javatra hafa. Anisan’ ny antony lehibe nahatonga izany ny tsy fananana fangitra sy fitaratra ahafahana man­drefy, mianatra, mitazana sy mitazona, misintona anatra, sns. Nanjary mpihinana amam-bolony ny Malagasy, hany ka na tsy kolontsaina izao aza, tadiaviny hosandohina ho azy sy ny razambeny.
Anisan’ny mampatanjaka ny kolontsaina vahiny ny fananana ireo nialoha lalana. Tsy very ny napetrak’izy ireny fa voatahiry. Natao ho fototra niaingana mihitsy aza. Eo amin’ny tontolon’ny hira, ohatra, mbola afaka tendrena sy hirain’ny taranaka aty aoriana ny «Aleluya» sanganasan’i Haendel efa voaforona an-jato taona. Ny an’ny Malagasy kosa, izay kely fantatra sy voatahiry, ovaina. Na ny tsy azo ovaina tahaka ny hiram-pirenena aza, ovaina. Very fitaratra ny kanto malagasy. Tsy ny hira ihany fa ny zavakanto amin’ny ankapobeny mihitsy.
Antony iray manimba ny fototry ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny tsy fijerena ny tany aloha. Ireo asesiky ny vanim-potoana ankehitriny ihany no mahamaika, hany ka mitsingevana ny ankamaroan’ny kanto mi­poitra na voaforona amin’izao. Manidina «ambony» (ampiasana teknôlôljia samihafa, fitaovana raitra…) fa tsy ma­haritra. Na, lasa manaradrenirano be fahatany ka ny fisehoana ivelany no mibahan-toerana. Anisan’ny fositra goavana mahatonga io tranga io ny tsy fahaiza-mijery na ny tsy fihainoana ny teo aloha. Ireo, anefa, no fangitra sy fitaratra ho an’ny ankehitriny sy ny hoavy.

????????????????????????????????????

Sahala amin’ny mitantara angano?

Fahiny, rehefa hiampita ny reniranon’i Katsaoka, tsy mila lakana fa hazo (tehina) sy teny aloaky ny vava, mizara roa ny rano. Nisy izany tokoa ve? Tahaka ny mitantara angano no nandraisan’ny tanora miaina ankehitriny izany. Raha misy ratra na
fery mahazo ny Malagasy. Nampiasa ny zavamaniry satrikoazamaratra, izy. Hoy ny tanora: «marina ve izany? Inona izany zavamaniry izany?…».
Ny Malagasy fatra-panaja ny ray aman-dreny sy ny zokiolona. Hoy ny tanora : «…hany ka ny hevitr’ireo sokajin-taona ireo hatrany no manjaka». Satria, tsy kolontsaina ao amin’ny tanora sy ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao intsony ny mihaino sy mijery ary mandinika sy mamakafaka ny zava-nisy taloha. Lasa tahaka ny fitantarana angano avokoa izy ireny. Na, mety ho lasa zava-baovao ihany koa, satria, tsy niainany.
… Marobe ny «zavatra» (kolontsaina, fomba amam-panao, fady…) very, vokatr’io tsy fitodihana ny tany aloha io. Miteraka tsy fahamarinan-toerana eo amin’ny fiarahamonina izany. Nanjary tsy ambony tsy ambany ny fahalalana. Ny Zanahary, tonga nampatahotra ny nanonona azy. Nahazo vahana sy nampiasaina ary nohajaina fatratra ilay anarana nentin’ny vahiny, sns.
Be fahalalana satria notezain’ny zavaboahary

Tsy mba nanana sekoly ahitana rindrina efatra ny Malagasy. Kanefa, maro ireo fahalalana ananany, satria, notezain’ny zavaboahary tao anatin’ny an’alinkisa taona izy. Avy amin’ireny fahalalana ireny rahateo no anisan’ny nipoirana na nitsimohan’ny fomba, fady, ny mety sy ny tsy mety, ny tokony na tsy tokony hatao, sns. Ireny no harembe ho an’ny fahiny, saingy, tsy hitodihan’ny ankehitriny intsony. Fady ny mitsipa-doha laka-nitana. Amin’izao vanim-potoana izao, tsy voahaja intsony izany. Sady tsipahina mafy ny lohan’ny lakana no ariana ny tehina nahatafitana. Fahiny, fady tanteraka ny mandevina andro alakamisy. Ankehitriny, io no andro ma­hafaka ny rehetra. Aza minomino foana izany fa aleveno! Ody fery ny zavamaniry satrikoazamaratra. Amin’izao fo­toana, tsy sitrana io fa hoento any amin’ny toeram-pitsaboana. Taloha, aleo hitodika any andrefana ny varavarambe fa any no mandry ny masoandro. Ny ankehitriny, mety foana io, satria, arakaraka ny tany anananao, sns.
Vokatr’ireo rehetra ireo. Marobe ny fahasoavana very. Mipoitra ny loza maro saro-pehezina. Mitranga ireo lazaina fa «fahagagana ratsy» samihafa… Satria, tsy mitodika sy tsy mihaino ny lasa in­tsony ny Malagasy. Mifantoka sy mitambezo fatratra amin’ireo fomba, finoana, hairaha, ankosotra isan-karazany, nampidirin’ny vahiny.
… Maro loatra ireo fahalalana tany aloha no tsy mandray anjara firy intsony amin’ny zotram-piainan’ny Mala­gasy. Tsy tazana sy tsy iainana intsony any amin’ny fiarahamonina. Hatramin’izao, anefa, mbola sarotra ny milaza fa mahasolo na mahita hahasolo an’ireny fahalalana ireny ny ankehitriny. Noho izany, mila itodihana sy henoina ny lasa, ny zokiolona sy ny raiamandreny.

Nanatontosa : HaRy Razafindrakoto

 

Partager sur: