Hitana ny sain’ny mpankafy baolina kitra amin’ity sabotsy ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hiatrika ny lalao faharoa ho azy mantsy ny Barea de Madagascar izay hidona amin’i Tanzanie, mitarika vonjimaika amin’ny filaharana.
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium, anio sabotsy amin’ny 8 ora alina, ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Tanzanie. Andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025), vondrona «B». Vonona tanteraka ny Barea de Madagascar haka fandresena amin’ity. Sarotra saingy azo atao ny zavatra miandry ny Malagasy mpilalao. Hanana tombony mantsy ry zareo tanzanianina, izay hilalao eo amin’ny kianjany ary manoloana ny mpijery azy. Tanzanie izay efa manana isa 6 taorian’ny fandresena roa azony.
Raha ny angom-baovao voaray, ambony ny toe-tsain’ny Malagasy mpilalao hiatrika izany. Tombony ho an’ny Barea, rahateo ny fialantsasatra lava ho an’ireo mpilalao. Salama tsara avokoa ireo mpilalao. Nanao fanitsiana ireo lesoka tamin’ny lalao voalohany nikatrohana tamin’i Mauritanie no nifantohan’ny fanazarantena tamin’ity herinandro ity. Nanamafy ny famonoam-baolina sy ny fiarovan-tena kosa nataon’ny mpanazatra, tao anatin’ny roa andro mialoha ny lalao anio.
Marihina fa laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, izay tsy manana afa-tsy isa iray. Ankoatra izay, tsy mbola afaka hilalao i Dax, kapitenin’ny ekipa, noho ny karatra mena azony nandritra ny lalao voalohany. Notazomin’ny coach Rôrô, mpanazatra, ho tsiambaratelo kosa aloha ny mpilalao hisolo azy. Mbola ao anatin’ny fijerena ny toe-batana sy ny tanjaky ny tsirairay ny tenany hatramin’ny omaly.
Tsiahivina fa efa in’efatra nihaona ny roa tonta ka fandresena roa azon’ny Barea, ady sahala iray sy fandresena tokana ho an’i Tanzanie. Ity izany no lalao fahadimy hifandonan’ny roa tonta.
Tompondaka




