Nitombo indray! Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy roa ny Malagasy atleta, omaly nandritra ity andro mialoha ny famaranana ny fifanintsanana CJSOI, izay tontosaina any Seychelles ity. Mitotaly 48 indray izany ny medaly azon’ny Malagasy amin’ity lalao ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity.
Namiratra tanteraka tamin’ny taranja basikety ny Malagasy, omaly. Nandrombaka ny medaly volamena ry zareo, rehefa nandresy ny ekipa renioney tamin’ny isa mavesatra, 92 no ho 56.
Lavon’i La Réunion, teo amin’ny famaranana ny taranja volley kosa, i Madagasikara, ka nihonona tamin’ny medaly volafotsy ireo vehivavy malagasy mpilalao volley. Tsy nahazo seta mihitsy moa ny Malagasy tamin’ity fihaonana ity, fa azon-dry zareo renioney avokoa ny seta telo. Nahita medaly volafotsy ihany koa ny Malagasy tany amin’ny taranja atletisma, hazakazaka mifandimby, « relais » 400 m.
Andrasana ny lokon’ny medalin’ny Barea
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotontosaina anio ny lalao famaranan’i Madagasikara sy i La Réunion, amin’ny taranja baolina kitra. Manana herijika ambony handrombaka ny medaly volamena ny Barea de Madagascar, sokajy zandriny, ary efa vonona tanteraka izy ireo ny hiady sy hanome izay fara-heriny mba hahazoana izany medaly izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa eo amin’ny laharana fahatelo i Madagasikara ankehitriny, amin’ity lalao CJSOI ity, ary taranja vitsy ihany no nandraisana anjara.
Fitia Randria




