Nampita hafatra fiantsoana fitoniana ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin. Niantso ny hampitsaharana ny fifandranitana politika ny tenany amin’izao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Nanentana ny rehetra hahay handala ny soatoavina sy ny fihavanana koa ity filohan’Andrimpanjakana ity.
Vahiny manokana hanatrika ny fivorian’ny Sadc ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Badea), Abdullah Almusaibeeh. Higadona eto Madagasikara, ny 15 aogositra izao, ny tenany ary hiatrika ny fihaonana eny Ivato. Anton-diany koa ny hijery ny firosoan’ny asa fanamboarana ny lalana Soanierana Ivongo – Vohibe…
Efa vita ny fanadihadiana dingana voalohany momba ny “Raharaha Ambohimalaza”, araka ny nambaran’ny mpisolovava ireo fianakavian’ireo maty, ny Me Rafidison Eric. Na izany aza, nambarany fa tokony hitarina kokoa izany ka hanadihadiana ny momba ilay fiara voalaza fa natao fanomezana na koa ireo anaran’olona voatonontonona.
Tsy tokony havela fotsiny amin’izao ny fahafatesan’olona marobe momba ny “Raharaha Ambohimalaza”, araka ny fanambaran’ny RMDM, omaly, tetsy Bel Air. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa tsy hita ilay hopitaly manara-penitra manoloana ireny fahafatesan’olona marobe ireny. “Takinay ny hamoahana ny marina”, hoy izy ireo.




