Masoivohon’i Algérie : Nitsidika ny filohan’ny Antenimierampirenena

Noraisin’ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Toke­ly Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny masoivohon’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka, Miloud Benmakhlouf, omaly. Nohamafisina, nandritra iza­ny, ny fifandraisana ara-di­plaomasia sy ara-pirahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta. Maro ireo fifanarahana mila havaozina mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanofanana arakasa ary ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny tanora. Ankoa­tra izay, fantatra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, fa hisy ny « Foire commerciale intra-africaine » andiany fahefatra izay hatao any Algérie, ny 4 hatramin’ny 10 septambra izao. Hetsika ara-barotra lehibe hanomezana sehatra ireo firenena afrikanina hifanakalozana sy hampiroboroboana ny varotra anatiny izany. Nasaina manokana handray anjara amin’izany ny minisiteran’ny Varotra eto Madagasikara.
Ankoatra izay, nandray ny sekretera jeneralin’ny Forum Parlementaire de la Sadc, Boemo Sekgoma, teny Ivato ihany koa ny filohan’ny Antenimierampirenena, oma­ly. Nivoitra tamin’izany ny fikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Marihna fa amin’io fotoana io no hanaovan’i Madagasikara sy i Maurice ny sonia mikasika ny fifanarahana momba ny fanovana ny FP-Sadc ho Parle­ment Régional hatao ny 17 aogositra izao, eny amin’ny CCI Ivato.

Andry F.

Partager sur: