Filoha Rajoelina Andry: “Ho avy ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc”

Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity.

“Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny avy any Mozambika…”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, teny Andranomena, tamin’ny fanolorana kamiao fitateran-drano miisa 18, tamin’ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc hatao eto Madagasikara. 80 ny delegasionina avy any Mozambika, 60 ny avy atsy Afrika Atsimo, misy aza ny delegasionina 130… Ny dikan’izany, liana hankaty Mada­gasikara sy handray anjara amin’izany fihaonana an-tampon’ny Sadc hatao eto Madagasikara izany ry zareo.
Mampalahelo fa tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra, misy filoha teo aloha nandeha nitety an’ireo filoham-panjakana ireo. Nilaza ry zareo hoe tsy tokony hatao ao Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, ary tsy mendrika ho filohan’ny vondrona ny filoha Rajoelina Andry. Niantso ny filoha Rajoelina Andry ireo filoham-panjakana mpikamban’ny Sadc: inona ny mitranga ao Madagasikara, maninona no misy filoha teo aloha nilaza hoe tsy tokony hatao aty Madagasikara ny fihaonana an-tampony? Niteny izy ireo hoe: Tsia. Ny filohan’ny Repoblika malagasy no efa nofidin’ireo filoha ao amin’ny Sadc. Raha misy olana any Madagasikara, mifanatona sy mifampiresaha fa tsy entina any amin-dry zareo ny olana.
“Handray ny Sadc isika amin’ny herinandro ho avy io”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Goavana be izany, fa sambany amin’ny tantaram-pirenena. Hatramin’ny nahazoan’i Ma­da­gasikara ny Fahaleovan­tena hatramin’izao no hoe mba misy filohan’ny Repoblika malagasy ho filohan’ny vondrona iraisam-pirenena aty Afrika.

@R. Nd.

Partager sur: