Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny Sadc»

Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafa­rava­vitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy ny fifanarahana ary ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny roa tonta izany. Hisy koa ny hetsika fampahafantarana ny Sadc: fihaonana amin’ny besinimaro eny amin’ny oniversite, Ankatso, amin’ny 14 aogositra ho avy izao. Aorian’izay, eo ny fivorian’ny Troïkan’ny rafitra Sadc, harahin’ny fihaonana an-tampon’ny Troïka. Amin’ny 17 aogositra no ivon’ny fihaonana: fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta. Aori­an’­izay, ny fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara, hatrehin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemantan’ny Sadc.
Ankoatra ireo vahiny efa tonga sy miatrana eto Mada­gasikara amin’izao, manomboka ho avy ireo minisitra avy ao amin’ny vondrona eo anivon’ny filankevitry ny minisitry ny Sadc. Ho avy koa ny ankamaroan’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta. Maro amin’izy ireo no efa nanamafy izay fahatongavany izay. Ho fahombiazana lehibe ho an’i Madagasikara izao fotoana manan-tantara izao. Nanomboka tamin’ny 28 jolay tamin’ny herinandro fampiroboroboana ny indostria izany. Narahin’ny fihaonan’ireo mpi­a­sam-panjakana ambony eo anivon’ny kaomity maharitry ny mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny Sadc izany.

R. Nd.

Partager sur: