Rallye vacances: 33 ireo mpanamory hiady lohany

Mahatratra 33 ireo mpanamory nisoratra anarana handray anjara amin’ny “Rallye vacances”, andiany faha-18. Fihaonana karakarain’ny klioba Gojang hatao any Mahajanga ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao. Dingana fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny hazakazaka fiarakodia izy ity. Tazana ao anaty lisitra avokoa ireo kalaza lahy amin’ny rallye. Anisan’izany, i Mika sy i Aina avy amin’ny klioba TMF sy FMMSAM. Hitondra ny fiara Mitsubishi EVO X izy ireo. Eo koa i Faniry sy i Mahents, mpanamorin’ny TMF, hijapy ny 208 T16. Ankoatra azy ireo, i Mathieu sy i Herii Possible, avy amin’ny klioba ASACM. Hitaingina ny fiara Subaru kosa izy ireo. Andrasan’ny rehetra ihany koa ny fiverenan’i Ndrianja sy i Fanja, avy amin’ny ASACM hitondra ny Subaru NF Transport. Tsiahivina fa hanana lanjan’isa 1,5 ity rallye vacances ity. Misy dingana manokana «ES» miisa 12, mirefy 121,26 km. Ham­piavaka ny rallye vacances ny fisian’ny «ES», hatao amin’ny alina ka hotanterahina ny andro faharoa izany eo anoloan’ny lapan’ny tanàna Mahajanga.

Tompondaka

Partager sur: