Tolokevitry ny Ceni: Hatao amin’ny novambra ny fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa nandefa ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ireo ho loholona eny anivon’ny governemanta izy ireo. Tokony hotontosaina ny volana novambra ho avy izao izany, araka ny tolokevitr’izy ireo.
“Miandry ny fanapahan-kevitry ny rafitra mpanatanteraka momba izany izahay”, hoy ny mpampakan-tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tokony hatao amin’ity taona ity izany latsa-bato amin’ny fifidianana loholona izany. Tokony ho tapitra mialoha ny faran’ny taona 2025 ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana eo anivon’ny Ante­nimie­randoholona amperinasa, araka ny nambarany. Voalazan’ny Lalàmpano­rena­na rahateo fa dimy taona ny faharetan’ny fotoam-piasan’ireo loholona. “Tokony ho vita mialoha na fara mialoha na fara fahatarany amin’ny voalohandohan’ny volana desambra ny fifidianana azy ireo. Efa tokony manana loholona voafidy ary handray ny toerany isika amin’ny volana janoary 2026”, hoy ihany izy.
Na izany aza anefa, mbola olana tsy ahafahana miroso amin’ny fanatanterahana iza­ny fifidianana loholona izany ny tsy famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina maromaro nisehoana olana sy savorovoro. Tsy mbola nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ireo fitoriana nataon’ny kandidà sasany teny anivon’ny filankevi-panjakana hatramin’izao.
Tsiahivina fa voafaritry ny lalàna ho mpifidy sy handray anjara amin’ny fifidianana loholona ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny Tanàna.

Synèse R.

Partager sur: