FANTINA sy FINTINA

Naneho hetsika teny By Pass ireo ben’ny Ta­nàna miisa 26 avy eny amin’ny distrika Atsimondrano. Tanjona ny hampiroboroboana ny fihavanana eo amin’izy ireo sy hanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Nambaran’ny filohan’ny Anteni­mi­eran­do­holona, fa zava-dehibe ny fihavanana amin’ny fampandrosoana.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny Ivato, ny sekretera jeneralin’ny Forum parlemantera FP – Sadc, Boemo Sekgoma, ny herinandro teo. Nivoitra tamin’ny resaka ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Teo koa ny sonia fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy i Maorisy momba ny fanovana ny FP-Sadc ho Parlement régional.
Kandidà voalohany nilaza hofidina ho filoham-pirenena amin’ny 2028 ny ben’ny Tanànan’Imerintsia­tosika, Andriambolanarivo Parisoa. Nilaza ho vonona amin’ izany ity tanora 34 taona ity. Anisan’ny politika hampihariny ny fampihavanana hiarahana mampandroso an’i Madagasi­kara. Nambarany fa nahitany fahombiazana izany tamin’ny fitantanany.
Mitaky ny hanajana ny sata mifehy ny Sadc ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonari­mam­­pianina Hery, araka ny fanambaran’izy ireo. Eo ny tokony hanajana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahaleovantenan’ny Rafitra mikarakara fifidianana ary ny ady amin’ny kolikoly. “Tsy tokony hisy ny fanampenam-bava”, hoy izy ireo.

Partager sur: