Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo amin’ny Cadet, resin’ny HC Est tamin’ny isa mazava 21 no ho 7, ny ekipan’ny Littoral SC Atsinanana. Ho an’ny Junior, lavon’ny HC Est, tamin’ny isa 32 no ho 25, ny Ascaf Analamanga. Fihaonana nahafinaritra ny mpijery satria nahitana endri-dalao ny an’ny roa tonta.
Ankoatra izay, voahosotra ho mpiandry tsatoby mendrika i Sabotsy Jean Marcellin (HC Est) sy Rakotondravelo Maminarivo Jeremia (My-Sah). Teo amin’ny Minime, vehivavy, tsy nivoaka tao amin’ny ligin’i Bongolava ny amboara. Lasan’ny HCT ny fandresena, nampiondrika ny HTHB Atsinanana, 9 no ho 6. ASLPNYA Ihorombe kosa no tompondaka ny anaram-boninahitra rehefa nanilika ny THBCA Matsiatra Ambony, 19 no ho 15. Teo amin’ny Cadette, ny Littoral SC Atsinanana no tompondaka rehefa nanilika ny HCT Bongolava, 15 no ho 7. Ho an’ny Junior, vehivavy, My-Sah HBC Itasy nandavo ny HC Njatovo Matsiatra Ambony, 17 no ho 15.
Tompondaka




