Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy. Nafana ny fifaninanana, izay nahitana ireo hoavin’ny basikety malagasy. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Fandrefiala Analamanga raha ny ASSM Analamanga kosa ny teo amin’ny lehilahy.




