Famahana ny olan’ny fananantany : Manao tohivakana ny fametrahana ny BSFI

Maromaro ireo Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI) tafapetraka tato anatin’ny herinandro, ho famahan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny olana amin’io sehatra io. Anisan’izany ny any amin’ny ­distrikan’­ Andi­lamena, ny any Nosy Varika, ny kaominina Andranoma­nelatra sy Vinaninkarena, distrika Antsirabe II. Teo koa ny fametrahana izany tao amin’ny fokontany Andriampamaky, kaominina Ambohitrony, distrikan’i Manjakandriana. Nivoitra hatrany tamin’ny lahatenin’ireo tomponandraikitra tamin’ny fitokanana na fametrahana izany fa natao hanamorana ny filan’ny mponina eo amin’ny fananantany ny fametrahana izany any amin’ireny toerana ireny. “Tsy mandeha alavitra intsony koa amin’ny famonjena birao ireo manana raharaha eny amin’ny fananantany ary natao izao hanamafisana ny fanakaikezan’ny fanjakana ny vahoaka”, hoy ireo tompon’andraikitra.
Tsiahivina fa rafitra vaovao entina hanamorana ny fisitrahana ny tolotra ho an’ny mponina ny BSFI. Anisan’ny mamaha olana ireo mponina lavitra ny biraom-paritry ny fananantany sy ny fandrefesana izany.
Etsy andaniny, nametrahana tomponandraikitra hanatanteraka ny asa fototra amin’izany, handray ireo manan-draharaha. Anisan’izany ny fanoroana lalana sy ny fanampiana ny mpanjifa. Eo koa ny fandraisana sy fikarakarana fangatahana. Manampy izany ny fandefasana ny antontan-taratasy any amin’ny birao any Mananjary raha ho an’i Nosy Varika manokana. Eo koa ny fanaterana ny vokatra sy ny tolotra efa vita.
Ankoatra izany, notolorana trano ary novatsiana fitaovana ihany koa ny kaominina any Vinaninkarena sy Andranoma­nelatra ary ny distrikan’­ Antsirabe II.

Synèse R.

Partager sur: