FANTINA sy FINTINA

Nilatsaka ny didy ho an’ny mpitarika ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, sy ireo namany dimy hafa. Sazy mihantona herintaona an-tranomaizina, no azon’izy ireo tamin’izany. Tsiahivina fa voasambotra tany Benetsy, Toliara, ny faran’ny volana jolay teo izy enina mirahalahy. Niakatra fitsarana omaly, ary izao voasazy izao.
Naneho ny heviny ny antoko MMM manoloana ny mpitarika ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Nambarany fa tsy tokony hampiasaina ho fitaovana ny fitsarana hamotehana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. “Tsy namono olona izy, tsy nanao kolikoly avo lenta, fa mpanao politika sahy maneho hevitra”, hoy izy.
Mitaky ny fialan’ny mpitondra manoloana izao fahavoazana manjo ny firenena izao ny avy amin’ny VHT, tarihin-dRazanakoto Norbert. Nambarany fa tsy afa-bela amin’ny “Raharaha Boeing 777 ” ireo mpitantana ireo. “Samy tompon’antoka avokoa izy ireo ka tokony hametra-pialana”, hoy izy.
Nisaotra ny filoha Rajoelina Andry ny Fikam­banan’ny mpino Silamo ao Toamasina noho ny fandraisana andraikitra manoloana ny fandravana ny mosquée ao Toamasina II. “Manana Raiamandreny tsy manavakavaka izahay ary manome toky ny hitazona ny fitoniana eo am-piandrasana ny vahaolana ofisialy efa nampanantenaina”, hoy izy ireo.

Partager sur: