Kihon-dalana farany amin’ny fivoriana, ankoatra ny an’ny Troïka, mialoha ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta, ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Sadc. Nandray ny fitantanana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika.
Vita teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny famindram-pitantanan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena zimbabwéen, Pr Amon Murwira, amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, amin’ny fitarihana ny filankevitry ny minisitry ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi. Nambaran’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika fa hanohy sy hanamafy ny asa iraisana efa natomboka izy, hampandroso sy hampisandratra ny vondrona ho tombontsoan’ny mponina ao aminy. Tena ilaina mampitambatra ireo firenena aty atsimon’i Afrika ny Sadc. Manamarika ny faha-20 taona nidiran’i Madagasikara ho mpikambana izao fihaonana an-tampony faha-45 izao, manome tombondahiny amin’ny fandraisana andraikitra.
Mazava ary mifanaraka amin’ireo laharam-pahamehan’ny Sadc amin’ny fanatanterahana ny Drafi-pampandrosoana stratejika tondro ho an’ny faritra (RISDP) ny fandraisan’i Madagasikara ny fitantanana. Hezahina ny fikatsahana fampandrosoana maharitra, ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny faritra, ny fanalalahana ny fifanakalozana ara-barotra. Lohahevitra ny fampiroboroboana ny indostria izay laharam-pahamehan’ny fanjakana malagasy. Mifampiankina amin’izany ny fanovana amin’ny famokarana sy ny fidirana amin’ny angovo azo havaozina ho amin’ny vahaolana maharitra.
Mbola ezaka hatao ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ohatra, ny fiatrehana ny ambana tsy mahamarin-toerana ny tontolo politika maneran-tany… izao filankevitry ny minisitra izao, izay hifarana rahampitso, hamaritra ireo lahadinika haroso amin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta.
R. Nd.




