“Afrobasket 2025” : Resin’i Nizeria 77-59 ny Ankoay

Niakatra an-kianja voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, ao anatin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy hatao any Angola. Ratsy fanombohana izy ireo, raha ny vokatra satria nolavoin’i Nizeria tamin’ny isa 77 no ho 59 ny ekipan’i M’Madi sy ny namany, rehefa nanao tandrevaka teo amin’ny ampaham-potoana fahatelo ka nampisy elanelana mavesatra teo amin’ny isa. Ni­fandanja hatrany ny lalao teo amin’ny roa tonta, nandritra ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa ka isa tery dia tery 39 no ho 38 no nisarahan’izy ireo teo am-pialantsasatra. Nifanaraka tsara rahateo ireo 5 niakatra voalohany nahitana an’i Elly, i Lova,i M’Madi, i Sitraka ary i Kiady. Very anefa ny fifantohana ho an’ny Ankoay rehefa niditra tamin’ny ampaham-potoana fahatelo ka na niezaka nanarina aza dia tsy tratra intsony ny isa teny amin’ny solaitrabe, ka 77 no ho 59 no niafaran’ny lalao teo amin’i Nizeria sy i Mada­gasikara. Ny ekipan’i Kame­rona indray no hifanandrina amin’ny Ankoay rahampitso zoma 15 aogositra.

Mi.Raz

Partager sur: