Governora Vyvato Rakotovao: “Manome sehatra ny mpanao gazety ny faritra”

Nanokafana ny fihaonan’ny governora, Vyvato Rako­tovao, tamin’ireo mpanao ga­zety tao amin’ny faritra Vaki­nankaratra ny momba ny fa­ha­lalahana amin’ny asa fa­naovan-gazety. Nitondran’ ireo mpanao gazety fanazavana manokana ny olana sy ny filany amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny fikaroham-baovao. “Mazava ny fomba fiasa napetraky ny fiadidiana ny faritra fa misokatra amin’ny sehatra marolafy izy ireo. Manome sehatra malalaka ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera izahay”, hoy ny governora, tamin’ny fanazavany. Nambarany ho poro­fon’izany ny fanokanana fotoana hifampizarana sy hifanakalozana amin’ireo mpanao gazety isam-bolana tahaka izao. Tsara alain-tahaka izany ary anisan’ny fomba fiasa mahomby mamaly ny vinan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, momba ny fanjakana tsara tantana, araka ny nambarany. Nante­riny fa manahirana ny mitantana firenena demokratika tsy ampy serasera.
Ankoatra izany, voaresaka ny fanamboarana ny lalana RN7, ny fanomanana ny hetsika ara-ekonomika, toy ny “Tsenaben’ny aty matavy any Behenjy” sy ny” Festival de la RN7″. Eo koa ny resaka tany eny amin’ny Parc de l’Est. Ny fanarenana ny tsenan’ny Sa­botsy. Anisan’ny nandray andraikitra tamin’ny fanadiovana sy ny fitadiavana lalam-bola ny faritra, hanarenana ny tsena. Nanao tatitra ny diany tany Sina koa ny governora Vyvato Rakotovao. Nam­barany koa ny fahombiazan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana nataon’ireo talem-paritra vokatry ny fihaonana amin’ny mpanao gazety isam-bolana.

Synèse R.

Partager sur: