Ho fampiroboroboana ny rugby lalaovin’olona 7, hisy ny “tournoi” karakarain’ny federasionina ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 aogositra ho avy izao. Fihaonana ho an’ny sokajy vehivavy sy lehilahy, tanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Samy nahatsapa mantsy ny rehetra fa raha ampy fifaninanana, lasa lavitra amin’ity rugby ho an’olona 7 ity, i Madagasikara. Hita izany nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara, ny taona 2024. Teo koa ny zava-bitan’ny Makis, sokajy lehilahy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika farany teo izay nahazoana ny medaly volafotsy. Homena tosika, araka izany, ireo mpilalao ary hampirisihina ireo izay te hifantoka tanteraka amin’izany. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ity rugby ho an’olona 7 ity ihany koa ny fanomezana fiofanana misimisy kokoa ho an’ireo mpanazatra. Hampitomboina ihany koa ny isan’izy ireo ary ho aparitaka manerana ireo ligim-paritra izany. Mba hanana ekipam-pirenena matanjaka sy tsara hofana no tanjona amin’ity “tournoi”, ity.
Tompondaka




