SADC : Tanjona amin’ny fampandrosoana ny fampihenana ny fahantrana

Ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc izao. Hanao ahoana? Indrindra ny amin’izay tombontsoa mety ho azo… Anisan’ny tanjona amin’ny fampandrosoana eo amin’ny firenena mpikambana ny fampihenana ny fahantrana. Izay tsara ho fantatra…

Ny tanjon’ny Southern African Development Com­munity (Sadc), na ny Fihaonamben’ny fandrindrana ny fampandrosoana atsimon’i Afrika, ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ao amin’ny faritra. Indrindra amin’ny alalan’ny fampidirana sy fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’ireo firenena 16 mpikambana ao aminy… Ao anatin’izany ny hisian’ny fitomboana ara-toekarena, ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ary ny fanohanana ireo sahirana ara-tsosialy.
Amin’izany, mikatsaka ny hampiroboroboana ny toekarena isam-paritra hamoronana asa sy hampihenana ny fahantrana ny vondrona. Ani­san’ny fomba lehibe hanatrarana ireo tanjona ireo ny fampiraisana isam-paritra izay ahitana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa toy ny varotra, ny fotodrafitrasa sy ny fanabeazana ary ny fahasalamana. Eo koa ny fampiraisan-kina lalina ao amin’ny faritra sy ny foto-kevitra demokratika mitambatra ary ny fampandrosoana ara-drariny sy maharitra.

Ny filaminana no miantoka ny fanatanterahana ny fampandrosoana

Manamafy ny fampandrosoana maharitra koa ny Sadc. Eo, ohatra, ny fiantohana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny soa ho an’ny taranaka ho avy. Amin’izany, miaiky ny vondrona fa tsy ho tanteraka ny fampandrosoana ary tsy ho tratra ny tanjona raha tsy misy ny filaminana sy ny fandriampahalemana maharitra. Noho izany, miasa hampiroboroboana ny fitoniana ara-politika sy hisorohana ny fifandonana any amin’ny isam-paritra izy. Mampirisika ha­trany koa ny fanamafisana ny andrimpanjakana demokratika sy ny fitondrana tsara tantana ny firenena mpikambana ao aminy. Heverina ho tena ilaina amin’ny fampandrosoana maharitra sy ara-drariny.

Hetsika amin’ny fampandrosoana ny RISDP

Hetsika sy fanamby amin’izay fampandrosoana izay ny nanaovana ny Drafi-pampandrosoana stratejika tondro ho an’ny faritra (RISDP), izay mamaritra ny laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana mandritra ny taona 2020-2030. Eo koa ny fanatanterahana tetikasa fanatsarana ny fotodrafitrasa isam-paritra. Anisan’izany, ohatra, ny lalana, ny lalamby ary ny tambajotran’ny angovo. Mba hanamora ny fifandraisana ara-barotra sy ny fampidirana ny mpikambana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena izany.
Ankoatra izay, miompana amin’ny fampivoarana ny maha olona koa ny Sadc. Anisan’izany, ohatra, ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny asa. Mba hanatsarana ny fari-piainan’ny olom-pirenena izany. Sahaniny koa ny fampiroboroboana ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary ny fanomezana hery ny vehivavy hahaleo tena amin’ny sehatra rehetra misy azy amin’ny fampandrosoana.
Misy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka

Araka izany, manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ny faritra atsimon’i Afrika ny Sadc. Miasa amin’ny lafiny toekarena sy sosialy ary politika hananganana hoavy tsara kokoa ho an’ireo firenena mpikambana ao aminy sy ny olom-pireneny izy amin’izany. Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena eo amin’ny samy firenena sy ny iraisam-pirenena ny vondrona. Eo koa ireo fikambanana hafa izay manome fanampiana ho an’ ny fampandrosoana. Mba hanamora ny fanetsiketsehana ireo loharanon-karena ilaina hanatrarana ny laharam-pahamehana ny fampivondronana isam-paritra sy ny fampihenana ny fahantrana izay.

Paikady roa lehibe no ampiharina amin’ny fiaraha-miasa

Manampy ny Sadc hampihatra manokana ny paikady roa lehibe ao amin’ny faritra izany fiaraha-miasa izany. Eo ny Drafi-pampandrosoana stratejika tondro ho an’ny faritra (RISDP) andaniny; ankilany, ny Drafitrasa stratejika momba ny rafitra (SIPO), araka izay, voarakitra ao amin’ny “site-web” ny vondrona. Fehezin’ny rafitra fiaraha-miasa voatondro ao amin’ny fanambarana Windhoek mo­mba ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny Sadc izay. Eo koa ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’ny fiaraha-miasa ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka nolaniana tany Windhoek, Na­mibia, tamin’ny avrily 2006. Io no rafitra fototra mamaritra ny sehatra stratejika iarahan’ny Sadc sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Ma­metraka koa ny fitsipika hitantanana ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fandaharanasan’ny Sadc.

Fampandrosoana maharitra no kendrena

Tanjona ankapoben’ny vondrona, araka ny voafaritry ny And. 5 amin’ny fifanarahana Sadc, ny hahatratrarana ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena. Miara-dalana amin’izany ny fampihenana ny fahantrana sy ny fampiakarana ny fari-piainana sy ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika ary fanohananana ireo sahirana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fampidirana ny isam-paritra ho amin’izany sehatrasa sy tanjona izany.
Mampiroborobo ny soatoavina sy ireo rafitra ary andrimpanjakana politika iraisana koa ny vondrona. Eo koa ny fampiroboroboana sy fiarovana ny fandriampahalemana sy ny filaminana, ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra mifototra amin’ny fizakan-tena iombonana sy ny fifampiankinan’ny firenena mpikambana. Mba hisian’ny fifamenoana eo amin’ny paikady sy fandaharanasa nasionaly sy isam-paritra, ampiroboroboana sy ampitomboana ny asa mamokatra sy ny fampiasana ny haren’ny faritra. Hahazoana ny fampiasana maharitra ny harena voajanahary sy fiarovana ny tontolo iainana mahomby. Tsy latsak’izany ny fanamafisana orina sy mampikambana ny fifandraisana ara-tantara sy sosialy ary kolontsaina sy fifandraisana misy eo amin’ny mponina ao amin’ny faritra.

R. Nd.

Partager sur: