FANTINA sy FINTINA

Vahaolana sy hampitony ireo manampahaizana ny fanesorana ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Re­poblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny nambaran’ny Dr Lahiniriko Denis Alexandre. “Manaporofo izany koa ny nilazany fa tsy mahazo ny tiany holazaina ny va­hoaka. Manambany sy manamaivana olona izany”, hoy izy.
Maherin’ny 5 000 miliara Ar ny vola nampiasaina tamin’ireo fotodrafitrasa tsy laharam-pahamehana toy ny teleferika, lalambe migodana, Kianja Barea, araka ny nambaran’ny mpamakafaka politika, Rakotoarison Aina. “Fandaniana tokony ho natontona tamin’ny fotodrafitrasa fampandrosoana, toy ny hopitaly, sekoly, fa­mokarana izany”, hoy izy.
Nambaran-dRazafinjoelina Tahina fa mila atao mahalala an’i Madagasikara ny Malagasy. Nanteriny fa ny mahalala ny taniny no atao hoe mahay. Nohitsiny koa fa mivoatra ny fiainan’ny olombelona ao amin’ny firenena no atao hoe mandroso. “Ilaina atao tsara ny fanabeazana raha te hanova olona isika”, hoy izy.
Nalevina, afakomaly, any Tanambao, Fenoari­vo Atsinanana, ny nofo mangatsiakan’ny mpandrindra nasionalin’ny Tim, Rakotonirina Jean Claude. Anisan’ ny nanotrona izany ny depiote voafidy any an-toerana sy ny rantsan’ny antoko Tim ary ny avy amin’ny birao foiben’ny antoko. Tsiahivina fa nodimandry ny herinandro teo ity mpikatroka Tim ity.

Partager sur: