Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, nifarana teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly, ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voadinika tamin’izany ny fehinkevitry ny fivorian’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana ambony sy ny ma-nampahaizana ny 4-6 aogositra. Teo ny amin’ny tetibolan’ny vondrona 2025 sy 2026. Teo koa ny amin’ireo firenena telo eo anivon’ny Sadc izay tsy nahaloa ny latsakemboka: i Kaomoro sy i Seychelles ary ny Repoblika demokratikan’i Congo (RDC). Voaresaka ny olana politika miseholany amin’ireo firenena mpikambana sasany. Eo, ohatra, ny any RDC izay nitrangana fanongam-panjakana tamin’ny volana mey 2024. Eo koa ny olana any Rwanda, misy milisy M23. Ankoatra izany, tsy mankasitraka an’ireo firenena tsy manaja ny demokrasia ny vondrona. Toy izany koa ny ady an-trano, ny tsy fisian’ny fifidianana ara-dalàna…
Ny rafitry ny Troïkan’ny Sadc kosa no nivory omaly. Ao anatin’izany ny avy any Tanzanie, Zimbabwe sy Zambie ary Malawi, miaraka amin’ny mpiasam-panjakana ambony. Nanatrika ny fotoana ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, ary ny filohan’ny Troïkan’ny rafitry ny Sadc sady minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra ny fiaraha-miasa aty atsimon’i Afrika, i Mahmoud Thabit Kombo. Hanapaka ireo fehinkevitry ny filankevitry ny minisitra ny fivorian’ny rafitra Troïkan’ny Sadc: ny tetibolan’ny vondrona, ireo laharam-pahamehana, ny olan’ny firenena mpikambana… Hatolotra hodinihin’ny fihaonana an-tampon’ny Troïkan’ny Sadc izay tapaka amin’izany. Eo ny filohan’ ny Sadc teo aloha, i Angola, sy ny filoha amin’izao, i Zimbabwe, ary ny filoha vaovao hiditra, i Madagasikara, izay hivory anio mialoha ny tena fihaonana an-tampony faha-45 rahampitso.
R. Nd.




