Karate-“Mondial 2025” : Malagasy 6 hiatrika ny dingana farany

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny niatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, natao tany Nizeria, ny filohan’ny Federasionina ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Nambarany fa nahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany iny fifaninanana iny. Ary ny tena vaovao tsara, avy hatrany dia ny dingana farany mihitsy no hatrehin’ireo Malagasy atelta amin’izany. Ankoatra azy 5 mianadahy izay nahazo medaly alimo teo amin’ny sokajy Juniors sy Cadets, ahitana an’i Natanaela, Sarobidy, Andhy, Tsanta ary i Francio, avy hatrany dia hiatrika ny dingana farany amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Egypta, ny 28 hatramin’ny 30 novambra izao, ihany koa i Mirantsoa, eo amin’ny sokajy Seniors. Tsiahivina fa laharana faha-5 i Mirantsoa ta­min’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika teo, saingy noho ny teknika sy ny fihetsiny nahafa-po, tsy mandalo sivana intsony izy. Mbola miatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila amin’ny “Mondial” kosa i Tsiky sy i Fabio Lee, izay hatao any Paris, ny 17 hatramin’ny 19 septambra izao. Ankoatra izay, mbola hiatrika ny fifaninanana “Youth League” hatao any Italie ihany koa izy 5 mianadahy nahazo medaly, ny 3 hatramin’ny 5 desambra izao.

Mi.Raz

Partager sur: