Efa hita taratra ny fivoarana eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao. Miova endrika ny tanàna. Efa mba tazatazana tsikelikely ny fitovitovizana amin’ny firenena any ivelany ireny. Mipoitra miandalana ny fandrosoana amin’ny alalan’ny famitana fotodrafitsara. Vita izay ny ampahany voalohany amin’ny teleferika. Hotokanana rahafakampitso ny lalambe migodana. Aiza koa ro hahita?
Tsy mahavoky ny lalana e! Tsy lohalaharana ny fitaterana an-tariby e! Aoka mba halefa lavidavitra ny famakafakana. “Vola ny fotoana”, hoy ny fomba fitenintsika. Volabe amina miliara no very noho ny fitohanana sy ny fikatsoan’ny fifamoivoizana. Raha fotoana lany adiny telo amin’ny taxi-be, 10 minitra dia vita. Inona indray no tsaratsara mihoatra an’izany?
Mandeha miandalana rahateo ny zava-drehetra. Ilay finiavana ny hanova sy hampiroborobo koa tsy azo atao ambanin-javatra. Ho an’ny mpivezivezy any ivelany dia mahalala tsara fa anisan’ny mahatonga ny olona hamokatra kokoa na hazoto miasa ny fiainana anaty tontolo mahafinaritra. Raha ny fivoaran’ny fanatsarana eto an-dRenivohitra dia azo antoka fa hisy fiantraikany ho an’ny vahoaka izany.
Ny mpanoha-randrana tsy maintsy misy, ny mpanatsatso tsy maintsy manao ny ataony, ny mpanaratsy tsy hiala lavitra izany. Saingy tsy atao ampihemotra ireny, fa avadika angovo hirosoana hatrany. Raha ny vavan’ny olona sy ny tsy mitovy hevitra no arahina dia hiala maina isika amin’ny asa fampandrosoana tiana hatao. Tsy misy afaka ny handroso anatin’ny fifampisintonana midina izany.
Tsy hijanona hatreo ny asa ho an’ny vahoaka malagasy, indrindra ny isam-paritra. Tsy maintsy miainga eto anivon’ny tany izany noho izy varavarambe ho an’ny iraisam-pirenena. Mandeha tsimoramora sy miandalana rahateo ny fampandrosoana tiana hatao.
r.r




