Velakevitra momba ny Sadc: Manana anjara toerana amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka sy manampahaizana eny amin’ny Oniversite, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, tamin’ny fanombohana ny velakevitra ho an’ny besinimaro teny amin’ny oniversite Ankatso, afakomaly, ao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc.

Tokony ho sehatra malalaka ho an’ny firenena mpikambana ny fiombonam-paritra ka samy hijery ny soa fanararaotra ny tsirairay. Tanjona ny fiaraha-mandro­son’ny mpikambana ho an’ny tombontsoan’ny mponina ao aminy.
Nisolo tena sady nitondra ny hafatry ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, ny mi­nisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Chaminah Loulla. No­­tsiahiviny ny lohahevitra izay miompana amin’ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa rezionaly hanafainganana ny fampiasana angovo azo ha­vao­zina sy ny fanovana ny rafi-pambolena. Hafatry ny filoha ny amin’ny fiaraha-miasan’ny samy oniversite sy ny fikarohana siantifika ary ny fa­nabeazana no fototra mampahomby ny fanovana tian-ka­tao. “Hery manosika amin’ny politika momba ny angovo ny vondrona ao anatin’ny fanohanana ny sehatry ny fambolena stratejika sy amin’ny fampiroboroboana fiaraha-miasa eo amin’ny samy fanjakana sy ny oniversite”, hoy kosa ny minisitra Chaminah Loulla.
Ilaina àry ny fanafainganana ny fifindrana angovo hiantohana ny angovo madio sy ahazoana mifaninana, ny fa­nentanana ho amin’ny fiovan’ny fambolenaa hiantohana ny fanjarian-tsakafo sy hamoronana asa maharitra, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tsiansa ho an’ny va­haola­na vaovao mifanaraka amin’
ny zava-misy iainana.

R. Nd.

Partager sur: