Zaikaben’ny tanora afrikanina  : Ho fanoitran’ny fampandrosoana

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma, teny amin’ny foibe toeran’ny tanora eny Ankorondrano, ny zaikabe fahafito ho an’ny tanora afrikanina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny 7th Southern Africa Youth Forum (Sayof). Hetsika fanaon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpiara-miasa amin’ny Sadc, isaky ny misy ny fivoriambeny. Araka izany, tanora maro avy amin’ny firenena 16 mandrafitra io vondrona io, nafaran’ny Firaisambe afrikanina no tonga eto Madagasikara miatrika izany. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, fa tanjona ny fanentanana sy fampirisihina ny tanora ho fanoitra amin’ny fampandrosoana an’i Afrika, ho firenena matanjaka. No­hamafisin-dRamatoa Pru­dence Nonkululeko, talen’ny vehivavy sy ny tanora, fa hampitovy ny fomba fijery amin’ny fampivelarana ny maha olona no tanjona. Haharitra telo andro ny fihaonan’ireto tanora ireto ka lohahevitra maro no hodinihina amin’izany. Hisy ny fifanakalozana traikefa, ny dinika ifampizarana, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao. Aorian’izay, hangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mpitarika ny Sadc amin’izao fotoana izao, ireto tanora ireto, hanolotra izay tapaka sy ny feon’izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: