Manohy ny diany hatrany ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Nandresy an’i Burkina Faso, teo amin’ny andro farany, ary tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny Barea.
Toy ny tamin’ny taona 2023, tafakatra amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025), ny Barean’i Madagasikara. Nahazo ny tapakila hiatrehana izany izy ireo taorian’ny nandreseny an’i Burkina Faso, tamin’ny isa 2 no ho 1, nandritra ny andro farany amin’ny fifanintsanana anaty vondrona «B». Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Amaan Stadium, Zanzibar, Tanzanie.
Niady hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta. Nanokatra ny isa voalohany ny Barea, tamin’ny alalan’i Fenohasina, teo amin’ny minitra faha-7 ary nitarika 1 no ho 0. Taorian’izay, nanindry ny Burkinabe ka sesilany ny fanafihan’izy ireo. Nisongadina anefa i Toldo, Malagasy mpiandry tsatoby nanakana ny dakan’izy ireo. Tetsy ankilany, tratry ny fikoropahana ny Barea ka be ny tolotra very. Vokany, nosahalain’i Sangare ny isa teo amin’ny minitra faha-25 ka sahala 1 sy 1.
Nitohy nanafika hatrany ny Burkinabe ary imbetsaka no saika nahatafiditra baolina saingy avotr’i Toldo hatrany izany. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 1 no ho 1 io. Fizaram-potoana faharoa, nanova mpilalao ny mpanazatra, Rôrô, ka nampiditra an’i Toky sy i Rado. Minitra faha-58, nisy fanafihana tsara nataon’ny Barea. Tonga tao amin’i Feno ny baolina, voatery nanao fahadisoana taminy i Franck Tologo. Nahazo «pénalty» ny Barea, izay tafiditr’i Lalaina. Taorian’io, niezaka hanasahala ny Burkinabe, saingy tsy nahavita. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Toldo. «Mbola betsaka ny teknika mila harenina sy ny fifantohana. Ny taktika nandray ry zalahy fa nikoropaka ihany tamin’ny lalao nataon’ny Burkinabe», hoy ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald.
Tompondaka




