Nanakoako indray ny anaran’i Madagasikara nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tsy teto Afrika ihany izany laza izany fa maneran-tany, noho ilay fandresena azon’ny Barea ka hiakarany amin’ny dingana manaraka. Koa arahabaina toa olo-mahery ê! Mivoaka maro mpitazana, mandeha maro mpanaraka, miady maro mpanohana, miasa maro mpanampy. Tsy nijery izay mpanenjika ny mpanazatra fa niasa mangina. Tsy nihaina izay mpanakiana ny mpilalao fa niezaka tao anaty fifantohana, tsy nivakiloha izay tsy tia ny ekipa teknika fa nikiry tamin’ny asany. Nioty ny vokatra ankehitriny izy ireo, na mbola lavitra aza ny lalana koa arahabaina toa olo-mahery ianareo, ho maro mpizaha, ho betsaka ny hanara-dia, ary tsy ho vitsy ny mpanohana.
Tsy lavo nitsikasina tokoa ianareo fa lavo nitehin-tanana. Tsy nanao fahalavoam-boanjo ka lavo nihosim-bovoka. Nitafinareo ny fikirizana, niakanjoanareo ny faherezana, nikiraroanareo ny fahazotoana. Nomenareo voninahitra ilay firenena niadianareo sy narovanareo fatratra ka indro tonga olo-mahery ankehitriny. Maro mpitazana, raha mivoaka. Maro mpanaraka raha mamindra. Maro mpandrisika raha miatrika ady.
Tsy ombalahy tanimanga ianareo ka hiady soloin-tandroka, hivolana soloim-bava, fa tena ombalahy be tandroka, tsy mifidy tany hiadiana. Ampian-tafika, tsy ampian-tafika, fa tena olo-mahery ka mandeha maro mpanaraka, mivoaka maro mpitazana. Faly ny fo, mirana ny saina ary ravo ny tarehy mahita anareo mitondra fandresena. Tsy ampy anefa izany hafaliana izany raha tsy misy ny arahaba koa arahabaina toa olo-mahery ianareo, hivoaka ho maro mpizaha, hiady ho maro mpanotrona. Koa akaro ambony hatrany ny faneva.
Tompondaka




