Filoha Rajoelina Andry : Nandray ny fahefana maha filohan’ny Sadc

Notanterahina omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tontosa, nandritra izany, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filoha mpitarika ny vondrona. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry.

Vita soa aman-tsara ny fi­haonana an-tampony faha-45 an’ny vondrona Sadc izay natao teto Madaga­si­kara, omaly. Araka ny tinapaky ny mpikambana tamin’ny fi­voriana natao tany Zim­ba­­boe, ny taona 2025, voatendry ho mpitantana ny vondrona Sadc ny filohan’ny Repobli­kan’i Ma­da­gasikara, Rajoelina Andry. Notontosaina omaly, araka izany, ny fifamindram-pitantanana eo aminy sy ny fi­lohan’i Zimbaboe, Emmerson Dam­budzo Mnangagwa. Nan­dray avy hatrany ny andraikiny ny filoha Rajoelina Andry. Fanam­biny ny hampandroso sy hampatanjaka ny lafiny ekonomika. Nohamafisiny ny hampiroboroboana ny firenena mpikambana, andaniny. Hitady ny tombontsoan’ ny mponina aty amin’ny firenena afrikanina tapany atsimo, ankilany.

Henin-kaja ny Malagasy

Tonga nanatrika ny fivoriambe teto Madagasikara ireo filoham-panjakana sy lehibena governemantan’ny firenena 16 mikambana eo anivon’ny Sadc. Niara-nikaondoha sy nikaro-bahaolana hampandrosoana ny faritra ny mpizaika. “Kihon-dalana lehibe ha­na­­tanterahana ny tanjona iombonana ity fihaonana eto Ma­dagasikara ity”, hoy hatrany ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony ny hampivoarana ny fiaraha-miasa mba hitondrana fampandrosoana mirindra. Niompana tamin’ny lohahevitra “fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny fi­rosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina” ny dinika niarahana, omaly. Mari­hina fa nahitana solontena avokoa ny firenena 16 mivondrona ao anatin’ny Sadc. Ani­san’izany, ny filohan’ny Re­poblikan’i Zimbaboe, Dr Emmer­son Dambudzo Mnan­gagwa, izay filoha nitantana ity vondrona ity teo aloha. Ton­ga ihany koa ny filohan’ny Repoblikan’i Congo, Felix Antoine Tshisekedi Tshilom­bo. Torak’izany ny filoha Afri­kanina tatsimo, Matamela Cyril Ramaphos sy ny maro hafa. Haharitra herintaona ny fitantanan’i Madagasikara ny Sadc.

Mino

Partager sur: