Hafa ny taloha  

Arahaba soa, arahaba tsara… Tanteraka soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Tsy nampitsanga-menatra. Vidin-kaja, vi­dim-boninahitra… Iza, hono, rey olona, no mahazo iza­ny eo imason’izao tontolo izao. I Madagasikara ma­non­tolo sy ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, fa tsy ny mpi­tondra ihany. Tonga amin’izany ve ny fivelaran-tsain’ ny mpanenjika, mpanaratsy, mpankahala… ? Iray ihany i Madagasikara sy ny Malagasy eo imason’izao tontolo izao amin’ny hetsika lehibe toy ireny. Hoe mahay mandray vahiny, ohatra, ny Malagasy, vahoaka hendry, miray hina… Mety misy tsy azoazo na manafintohina ve ny amin’izany ka ndeha haratsiana sy korontanina?
Misy ny efa vonto sy donton’ny politika, tsy mahajery ny hafa na ny firenena? Tsy mahajery lavitra koa… Miady fo hahazo fanjakana? Ny tena ihany no hibaby ny vokatr’izay atao sy izay misy ankehitriny any aoriana, raha mahazo izany. Na eo amin’ny sehatra nasionaly eto an-toerana io, na eo amin’ny iraisam-pirenena, na ankolaka na mivantana… Hanao ahoana koa rehefa handray hetsika iraisam-pirenena, raha mahazo fanjakana? Ny ela manova zavatra. Hahazo fanjakana ve izay tsy manao afa-tsy ny manakan-dalana, manakorontana, manalabara-tena any ivelany… ? Eo ny vahoaka hitsara amin’ny fifi­dianana. Izay no hahazoana fanjakana amin’ny fifandimbiasam-pahefana mazava sy milamina.
Hafa ny taloha? Na efa miova miandalana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao, ny fijerin’ny vahoaka, ny toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena… Mila ma­nova famindra sy paikady, raha tsy te hilaozan’ny tantara. Raha tsy miova hanova izay atao ny tena, ny tena no ovainy… Hiovana sy hanovana ny politika, fa tsy famerimberenana fotsiny ny lala-masaka teo aloha.

R. Nd.

Partager sur: